You are currently viewing Tetika mahakasika ny cryptos​

Tetika mahakasika ny cryptos​

  • Auteur/autrice de la publication :
  • Post category:Non classé
  • Commentaires de la publication :0 commentaire

Tetika mahakasika ny cryptos


Voalazantsika amin’ny lahatsoratra etsy ambony, fa 90 isan-jaton’ny mpampiasa cryptos dia manao izany ho fitadiavam-bola. Kanefa ny fifandraisana  amin’ny tambazotran-tserasera amin’ny tanjaka x10, x100, x1000 dia miroborobo fatratra, na dia tsy misy porofo omena aza. Mahalana ny olona mirehareha amin’ny tombotsoa madinika eo amin’ny tamabazotran-tserasera. Amin’ny ankapobeny, ireo matihanina dia tsy mahatsapa akory amin’ny zava-bitany, fa kosa ny olon-tsotra mitady zavatra mampientana no  mampiseho ny super trade nataony tamin’ny kaonty trading-ny, izay fisehoana avokoa ny ankamaroany.



Eo amin’ny sehatry ny crypto, ny trading dia tsy maintsy miaraka amin’ny fitsipika hentitra noho ny famatsiam-bola mahazatra. Noho ireo petra-bola mora manjavona, sy ny fahafahany mifototra (na mankaiza na mankaiza lalany) amin’ny zava-baovao iray, dia tsy maintsy manaja fitsipika maromaro.

Voalohany, aza mitondra fanovana. Raha toa tsy voafehy ny fandrindrana ny vola, dia famonoan-tena ny firobohana amin’ny x10, x50 eny hatramin’ny x100 ny petra-bola. Io no fomba tsara indrindra hanakatonana ny kaonty amin’ny alalan’ny broker.

Manaraka, ny lamina ;

 1. ny fomba famatsiam-bola maharitra

Ilaina amin’izany ny misafidy ireo tetik’asa izay miankina amin’ny fandinihana azy ny fanapahan-kevitra. Raha tena mahatoky, dia mamatsy vola ka mijery ny fahatrarana ny tanjona fotsiny ihany. Io no voaloham-bola anaty kitapom-bolany. Sahala amin’ny hoe manamboatra na mividy trano. Tsy hijery isan’andro ny vidin’ny m2, vao hahalala fa afaka mivarotra indray.

Izay no hahafahanao mahazo tombony maharitra.


2.ny fomba trading :

Amin’ity indray kosa dia mila mifantoka bebe kokoa amin’ny fitantanana ny kitapom-bola. Amin’ny ankapobeny dia 30 ka hatramin’ny  40 isan-jaton’ireo dia  natokana ho an’ny crypto. Ny famakafakana ara-tekinika, indrindra ara-pototra dia  manampy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra hanao trade na tsia.

Ity fomba iray ity dia miaraka amin’ny Take profit iray na maromaro (fanalefahana, T/P fototra sy ny ambim-bola izay avela hiodina raha toa ka misy). Tsy maintsy miaraka amin’ny Stop Loss na  fandavana ny trade. Io amin’ny ankapobeny no fahalemen’ny traders izay tsy manaiky tsy fahombiazana, nefa tsy maninona na lehibe kokoa aza izany.

Ity fomba ity dia hahafahana manatanteraka ny tetikady raha maharaka tsara ny fitsipka . Tsara ihany koa ny mba mampifaly tena, satria ny ankamaroan’ny traders dia mpankafy avokoa tany am-piandohana.

3. Ny fomba gambling :

Ity voambolana ity dia tsy natao ho an’ny petra-bola kisendrasendra, fa kosa ho an’ireo famatsiam-bola manana taham-pahombiazana ambany, nefa  indraindray misy tombotsoa bebe kokoa. 

Ny karazana petra-bola voatondro, dia antsoina matetika hoe « Shitcoin ». Toa manimba sofina raha vao henoina, nefa mahasarika ny besinimaro, rehefa mahita ireo an-tapitrisany dôlara izay amatsiana ireo fananana ireo

Noho ny fahafantarana izany, dia inona no hatao ao anatin’ny tsena, izay iresahan’ny haino aman-jery fa farandron’ny cryptos izao, nefa ny ankilany miresaka fiandohana vanim-potoana vaovao.

Heveriko fa mila alaina ambony, alaina ambany raha toa ka te hahazo tsara ny zava-misy

Hatreto isika ankehitriny. Ny BTC izay fampitaha, dia afaka jerenao ny fivoarany hatramin’ny nisiany.

Mino ve ianao fa ny zava-misy amin’izao dia taratry ny farandro marina.

Nanatrika bull run tena izy eo amin’ny tsena amin’ny ankapobeny isika nanomboka ny volana novambra 2020 ka hatramin’ny marsa 2021. Amin’ity tranga ity, dia afaka manome petra-bola ianao na inona na inona, na oviana na oviana, tompon’antoka tamina zava-bita iray ianao, ary mirehareha amin’ny tambazotran-tserasera.

Fa nanomboka tamin’ny avrily, dia mihamafy ny trading  ary mihasarotra, ka mila lamina maty paika kokoa.

Amin’izao fotoana izao, tsy maintsy raràna ireo trade haingam-pandeha. Ny tsotra indrindra dia ny mamantatra ireo fanoherana lehibe isan’andro, sy ny tohana isan-kerinandro, na isam-bolana aza. Miditra ao amin’ny fividianana ireo tohana, ary mivarotra mora amin’ny fanoherana no toa lamina ahazoam-bola amin’ ity rafitra ity. Aza adino fa tweet iray dia mety hahavery vola mihoatra ny 100 bn $ eo amin’ny tsena ankapobeny.


Anao arak’ izany no manao ny famakafakana, anjaranao no mifantoka mba hahafahanao misitraka araka ny tokony ho izy ny tamberina izay omen’ny tsena antsika. Mazotoa manao trade daholo.

Laisser un commentaire