Eo andalam-pivoarana tanteraka ny tontolon’ny crypto eto amintsika. Mety ho miavaka amin’ny mahazatra, fa efa miditra kosa eo amin’ny fiainana andavanandro.
Tsy misy andro tsy hahenoana an’izany bitcoin izany. Na izany aza, ny ankamaroan’ny olona dia mbola tsy mahazo tsara azy ity. Ireo cryptomaniacs na ireo mpisehatra amin’izany dia tena ao anatin’ny tontolony tanteraka, miaraka amin’ny fampiasana ireo karazana voambolana toy ny heno anaty horonantsary toa an’ndry STARTREK na TRON. Nefa aza omena tsiny ry zareo, fa miaina amin’ny vanim-potoana misy azy. Ny fivoarana teknôlôjika zay misy ankehitriny, no hamaritra ireo tsipika lehibe amin’ny andavanandro-piainana rahampitso.
Ho anisan’ireo hahay hanararaotra ny rivotra mitsoka ve ianao, sa hitazana ho mpijery ihany ny fiovana lehibe misy. Mampatsiahy ahy ny fisalasalan’ny sasany nampiasa Motorola taloha, tamin’ny niandohan’ny GSM. Nefa nanao dingana avokoa ny rehetra, ary nitodi-doha tamin’ny heviny hatrizay.

Tsy ho anjorom-bala amin’izany fironana faobe izany i Madagasikara
Ny Token Mofo Gasy dia hiparitaka tsy ho ela ary hahafahana manao famindram-bola , tahiry ary hatramin’ny trading (fa kosa tsy maintsy efa voahofana amin’izany). Mety ho izy ve ny bitcoin vaovao eto amintsika?
Efa hatramin’ny taona maro no nanehoan’i Madagasikara ny fahafahany mifehy vetivety teknôlôjia vaovao, raha ampitahaina amin’ireo firenena afrikanina rahavavy. Porofon’izany, dia ny fanovana ny fampiasana ny finday GSM ho 4G, ary afaka fotoana fohy, ho 5G. Ndeha ho tanisaina eto ny fampiasana an’ireo fandefasana vola amin’ny finday fampiasa andavanandro: Mvola, Orange Money, Airtel Money…nirohatra avokoa ireo mpandraharaha rehetra. Tsy isalasalana fa ity fivoarana vaovao mankany amin’ny famatsiam-bla voatsinjara ity, dia handeha ho azy, ary ho lasa mpitarika eto Afrika i Madagasikara.

