Ny cryptomonnaie
Ny cryptomonnaie dia vola nomerika
alefa amin’ny fitaovana roa mitovy, ary azo ampiasain’ny tambazotra infôrmatika
misaratsaraka. Mampiasa teknôlôjian’ny hay-crypto ary manambatra ny mpampiasa
azy, amin’ny antanatohatra arahina amin’ny fandefasana sy fandoavana
raharaham-barotra.
Tamin’ny Aogositra 2021, dia manodidina ny 10.000 coins na
tokens izay nahavory renim-bola eo eo amin’ny 2.000 miliara dôlara eo. Tsy
maneho afa-tsy ny 2 isan-jaton’ny famoriana renim-bolan’ny tontolon’ny
petra-bola maneran-tany izany, izay vinaniana eo amin’ny 100.000 miliara dôlara
eo. Vao eo andalam-pifohazana ny vanim-potoanan’ny crypto.
Ny fiandohany
Mpinamana vitsivitsy, mpankafy crypto, malagasy sy vahiny monina eto Madagasikara sy any ivelany , nivondrona ny fiandohan’ny taona 2021, namolavola tetikasa iraisana hanamboarana token, izay afaka hampiasain’ny traders maro na olon-tsotra mba hanatanterahany ny fitiavany trading, no namory tahiry ho renim-bola hampiasaina anatin’ny drafitra ara-barotra voatsinjara.
Tsotra no nihavian’ny hevitra dia noho ny fahatsapana fa ny kolotsaina nomerika, sy ny fahafahan’ny antokon’olona marobe hampiasa teknôlôjia vaovao, dia seha-pihariana mamokatra amin’ny fametrahana fifanakalozana crypto haingam-pandeha ho an’ny daholobe.
Ohatra, ny mpampiasa Mobile money amin’ireo mpandraharaha ara-pifandraisana 3 lehibe, dia notombanana mihoatra ny 3 tapitrisa ny taona 2021.
Ny Mofo Gasy Token
Vokatr’izay fifanakalaozan-kevitra izay no nahateraka ny Mofo Gasy Token. Ny olona rehetra eto Madagasikara dia mahalala an’io mofo mamy io, izay fanao sakafo maraina miaraka amin’ny kafe. Na dia somary mahatsikaiky aza ny fampiasana izany ho an’ny token, dia tena matotra kosa ny namoronana azy.
Natokan’ny ekipa mpamolavola ny tontolo SOLANA hanorenana ity tetikasa ity.
Maro ny tombotsoa entin’io fombafomba arahina io. Voalohany, ny saran’ny fandefasana vola amin’ny tontolo Sol dia ambany dia ambany, raha oharina amin’ny fenitra ERC20 na BEP (Aogositra 2021 ; $0,00025 isaky ny mandefa vola. Ny fotoana hivahan’ny olana blocks dia miovaova eo amin’ny 600 ka hatramin’ny 900 ms ihany koa. Koa ara-drariny raha tao anatin’ny tontolo SOLANA ny namolavolana ny token.
500.000 MGT no voaforona ny volana jolay 2021. Ny fitsinjarana tany am-piandohana ireo vokatra voalohany, dia naparitaka teo anivon’ny mpiara-miasa, sy ireo mpamatsy vola voalohany, izay nanohana ny tetikasa.
Ny dingana faharoa amin’ny fampivoarana dia mitaky ICO amin’ny faran’ny volana oktobra 2021
Ny
fikambanana Mofo Gasy
Tsy hanampy cryptomonnaie vaovao no tanjon’ny Mofo Gasy Token. Ny antom-pisian’ny vondrona hantrany am-piandohana dia ny hamorona token, izay ahafahana mampiasa vola amin’ny tetik’asa ara-tsôsialy, ara-panatanjahentena ary ara-tontolo iainana.
Araka izany, misy ampahany amin’ny token dia natokana ho an’ny Fikambanana Mofo Gasy, hanatanterahan ireny tetik’asa ireny. Ohatra, ny mpanao fanatanjahantena iray dia afaka mangataka ny fandraisan’ny fikambanana anjara amin’ny tetik’asany
Afaka miantso ireo vondron’olona mpikambana ao amin’ny Mofo Gasy ihany koa ny fikambanana hanatanterahana ny tetikasany.
Mitovy amin’izay ihany koa ny fanohanana ireo ivon-toerana mivoy ny maha-olona, izay manana tetik’asa efa voadiniky ny kômity ao amin’ny fikambanana.
![]()
Araho amin’ny tambazotran-tserasera izahay. Araho daholo ireo zava-baovao ao amin’ny Mofo Gasy 🙂
Icon-facebook
Twitter
Youtube
Reddit
Zava-misy
Rohy haingana
Taratasim-baovao
Ny taratasim-pifandraisana ôfisialy dia amin’ny alalan’ny mailaka. Misorata anarana haharay ny vaovaonay
